Ampidiro aloha ny tenimiafina
Moa ve Jesoa (Ampifafi)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Moa ve Jesoa dia mihevitra
Ny momba ny fiainako
Moa jereny ve isan'andro re
Izay lalan-kizorako
Ref : He fantatro,he fantatro
Fa akaiky Izy izao
Izy tena tia, anio doria,
Akaiky Izy izao
2.Moa ve Jesoa dia mandre tokoa
Ny feo fitarainako
Mba henoiny ve, ka valiany e
Koa izany antso sy sentom-po
3.Moa ve Jesoa dia manafaka
Raha mafy ny ady aty
Moa ampiany ve, ka vonjeny e
Izao ity olo-mahantra ity
4.Moa ve Jesoa mahafantratra
Ilay ora farany
Moa akaiky ve, hamikirana e
Izao ny sandrim-pitiavany
--------
Lien:
