Hatraiza (Ampifafi)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Hatraiza izao ny fiomananao fa efa akaiky JesosyVoadionao ve ny fitafianao?
Dia ilay fitafy tsara hoenti-miakatra
Hitsena ilay mpampiakatra izay handray anao
Ô! Manatona re, mba atolory anio izao
Ny fonao feno ota, ho sasan'i Jesosy
Aza misalasala ianao fa tia anao anie Jesosy
Ny Ràny latsaka no hery hanadio anao (×2)
2.Hatraiza izao ny fetran'ny andro,izay mety hiainanao
Ny ampitso tsy antsika na ny iray minitra
Koa miomana ianao fa ho tampoka
Ny fiavian'Ilay Mpampakatra Izay hitsara anao
Aza sondriana ety ianao sao dia voafitak'i satana
Ka hanemotra ny andro hibebahanao
Henoy anie ny feon'i Jesosy miantso anao hiambina
Raha tonga anio ny Tompo, vonona va ianao? (×2)
3.Hatraiza ny fireharehana sy ny ditry ny fo
No tsy manaitra anao ny zava-miseho
Fa zava-poana ihany izao rehetra izao
Izay efa niandoha mbola hifarana, ny eto an-tany ho rava
Mizotra ho aiza re izato ianao rahavako?
Raha ity nofon-tsika ity, ho simba sy ho lo
Tsy mba misy mateza re, afa-tsy ny Fanahy ihany
Ny Fanahy Masina izay omen'i Jesosy (×2)
--------
Lien:
