TSY MISY TOA ANAO (Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy misy asoloko Anao JesoaSatria isan’andro aho Hasianao soa
Tsy misy ataoko mihoatra noho Ianao
Fa ny fahasoavanao no naha toy izao
Ho afaka aho ankehitriny
Nodiovinao tsy toy ny fahiny
Ireo fahotako izay mangeja ahy
dia nentiko teo aminao ka voavaha
Tsy misy ataoko mahasakana
ny fiarahako aminao ry Ray mpitahy
ny tana-maherinao no momba ahy
ka miaro tamin’ireo fakampanahy
ireo fitsapan’izay atolotrao
nampianatra ahy hiorin’Aminao
na ratsy na soa tsy misy ahiko re
ekeko satria fitondrana lehibe
Tonony sy feony : Iharinirina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F)Vangy : 733
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Njato5
Daty : 29/04/2019 10:51