FANOMEZANA (Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Do dia F
Izao tontolo izao , no tian’i Jehovah Ray
Nomeny ny zanany, lahitokana
Mba tsy ho very , izay mino Azy
Fa hanana fiainana mandrakizay (3)
Mandrakizay eo akaikin’ny Ray, any an-danitra

Ho anao mpaniry, ny hiova fo
Ho anao izay lavon’ireo fakam-panahy
Ho anao mitady , fiadanana
Nefa tsy mahita ‘zay fahasambarana ô!
Raiso ny Tompo raha sitrakao, fa fanomezana ho anao
:,: fa fanomezana ho anao
Fa fanomezana ho anao
Raiso ny Tompo raha sitrakao, fa fanomezana ho anao
Maimaimpoana isan’andro izao, afaka hanitsy ny làlanao,
Fa fanomezana ho anao

Ho anoa misedra, fitsapana
Vokatry ny ady, adim-piainana
Ho anoa mijaly sy solafaka
Ho anao mamaky, ny alo-pahafatesana
Raiso ny Tompo raha sitrakao
Fa fanomezana ho anao
Raha kristianina ianao, aza manda fanomezana
F’izay mandà dia ho very, very amin’ny andro farany
Fa fanomezana ho anao

Tonony sy feony : Rahaingomahefa Pascal
(20/10/95)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F)
Vangy : 1101
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Njato5
Daty : 02/05/2019 15:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3446