MIZARA TSARA NY TENY FAHAMARINANA (AFA Feon'ny Fampiraisana F8(Anosibe))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Taona maro nitoriana, nizarana teny soa
   Olo-maro sesehena, mihaino fa tsy Mankato
   Hararaoty ny fotoana, tano mafy izay nomena
   Tano amin’ny finoana sy amin’ny fitiavana

Dia sahia mijoro tsara, Ho andry azo iankinana
Mazotoa mizara tsara, Ny teny fahamarinana

2-N’aiza n’aiza misy anao, n’inon’inona atao
   Mitoria ny teny soa, mahereza, mazotoa
   Ambarao mibaribary, reseo lahatra ny maro
   Dia torio am-pahasahiana, tenim-pamonjena

Dia sahia mijoro tsara, Ho andry azo iankinana
Mazotoa mizara tsara, Ny teny fahamarinana

3-Mijoroa ankehitrio, ambarao ny marina
   D’ilay mariky ny teny, teny tsisy pentina
   Dia tohero izay tsy mety, ambarao Kristy Jesosy
   Ilay tenim-pamonjena, teny fahamarinana

Dia sahia mijoro tsara, Ho andry azo iankinana
Mazotoa mizara tsara, Ny teny fahamarinana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFA Feon'ny Fampiraisana F8(Anosibe)
Vangy : 398
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : TBEA
Daty : 13/05/2022 22:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1388