TRANO BONGO (Zopanage)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
tononkira.serasera.org Ilay trano bongo fonenan-tsika roa
Toa lobolobo simba sy lo
Tsisy masoandro miserana akory
Fa haizina antoandro ka manorisory

Ny varavarana zara dhyz raha mijoro
Manarangarana ireo mpampihorohoro
Ny hafaliana akia kila sy may
Ny hakiviana no mba mampiray

Soa fa nisy ny tsikitsikinao
Toa lapan’andriana ilay fierena
Soa fa nafàna ireo tànanao
Namàna sihtf ny fo efa mitalaho

Ireo zanatsika roa zara raha mitafy
Tsy mba niriaria fa mihafihafy
Jereo ny hafa fa toa tomady
Tsy mba mihafahafa fa nandresy an’ady

Soa fa nisy ny teny maminao
Nananatra mora ny tokony ho atao
Soa fa nafana ireo tànanao
Namàna ny fo efa mitalaho

Tonony sy feony : Zoarinjatovo RAHAMISON clyzjnc (1982)

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Zopanage
Vangy : 5235
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 05/11/2012 10:24
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2816