Mamiko toy ny tantely (Zopanage)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha vorona manakatra ny lanitra ianao
Izaho ‘lay habakabaka hisidinanao
Raha afo vao manomboka mirehitra ianao
‘Zaho lay rivotra hanafosafo anao

Raha masoandro vao manomboka hiposaka ianao
Izaho ‘lay loko hanome endrika anao
Volana somparan’ny tahotra ianao
Izaho ilay tsiky hamalifaly anao

Fa mamiko ianao, mamiko toy ny tantely
Mamiko tsy misy fery, tohana tsy mba ho very

Raha kintana mahatsiaro irery ianao
Izaho ilay maso hibanjina maharitra anao
Raha vetso vao manomboka mitsiry ianao
Izaho lay feo hampihaingo anao

Raha sento vao manomboka miaina ianao
Izaho ‘lay torimaso hanary dia anao
Raha tsiky mitondra hafanana ianao
Izaho ‘lay fo hitantana ny dianao


Tonony : Harinaivo Rabevala
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Zopanage
Vangy : 3360
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 23/01/2015 08:46
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011