Inty aho iraho aho (zah MTF (Zah Mamafy Teny Fiainana))

Izaho koa Jesoa mba vonona
Handeha anao ny asanao ety
N'inon'inona anirahana ahy
Inty aho fa voaomana e!

N'aiza koa izay toerana aleha
Mazoto aho raha momba anao
Anao ny asanao aho mandra-piala,
Mandra-pialam-pofon'aiko.

Ref:
Inty aho manoa anao
Iraho aho fa tsy mba hihemotra
aho
Inty aho, iraho aho
Hanaitra koa ireo olona matory
Efa vonona aho, tsy hihemotra intsony
Dia atolotro, hatramin'ny aiko aza
Atolotro anao, Atolotro anao.
tononkira.serasera.org
.....
Eny Jesoa fantatro ihany aho fa malemy
Sady bada koa ny lelako
Ny tongotro vao mianatra mamindra
Ny tanako vao mianatra mandray.

F'izany rehetra izany omeko anao
Fitaovana eo an-tananao
Fonenanao ny foko k'aza miala
F'io no ahaizako mitia.

Ref:
Inty aho manoa anao
Iraho aho fa tsy mba hihemotra
Inty aho, iraho aho
Hanaitra koa ireo olona matory
Efa vonona aho, tsy hihemotra intsony
Dia atolotro, hatramin'ny aiko aza
Atolotro anao, Atolotro anao. (X2)

Mpihira : zah MTF (Zah Mamafy Teny Fiainana)
Mpamaky : 243
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : christophe17
Tamin'ny : 08/12/2020 17:22:18
ID : 13240

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo