Iza ? (zah MTF (Zah Mamafy Teny Fiainana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iza no, hamonjy ahy ety
Iza no, hanampy ahy ety
Fa malahelo aho, ory ory fo
Tsy misy hianteherana.
Oh! ooo!

Iza no, no mba te ihaino ahy
Iza koa, ny hiantefan'ny antsoantsoko
Fa aty an-tany lao aho
Aty an'efitra, tsy misy ny osotro
Mainamaina aho.

Fa mamitaka ahy izao rehetra izao
Izay nantenaiko dia nandao
Nanalavitra ahy, tsy tia ahy
Oh! oh! oh!

Voageja manodidina aho
Omeo ahy ny vahaolana
Hivoako e! fa resy aho
Toa resy aho.
....
Jehovah Tompo ô! Andriamanitro
Fialofako sy famonjena ho ahy
Hazòny mafy aho, ndrao ho levona
Ho resim-pahava...lo aho!!!

Fa toa ranomasim-be, no eo alohako
Fahavalo maro be, no avy ao aorinako
Sokafy re ny rano, levòny ireo fahavalo
Tsy hahazo ahy, tsy andrendrika ahy.

*Raha momba ahy ny tànanao
Tsy hataho-doza aho
Fa tsara antoka, manana Anao,
Manana Anao.

Voleo làlana ny efitra
Asio rano any an-tany maina
Dia ho velona aho
Hanompo Anao mandrakizay. (X2)

Mandrakizay ...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : zah MTF (Zah Mamafy Teny Fiainana)
Vangy : 725
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 30/04/2021 23:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3622