Manatona (zah MTF (Zah Mamafy Teny Fiainana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
*Aoka izay ny tebitebinao
Aoka izay koa ny tahotrao
Manatona e!

Raha mila fitsaharana
Raha mila fiononana
Manatona e! (X2)

Ref:
Sasao ny tànanao
Midiova e!, raha te handray
Ilaozy ny otanao
Hafohizo!, fa ilay Ray!

Te hanome fiainam-baovao
Ho anao, raha madio ianao
Koa raiso Jesôsy izao
Ny ràny, hanadio anao.

....

*Jesôsy tsy manavaka
Raha tena vonona hivavaka ianao,
Dia manatona ianao
Manatona ianao.

Ireo entana mavesatra
Mandreraka manasatranao,
Dia manatona ianao!
Manatona ianao. (X2)

Ref:
*Sasao ny tànanao
Midiova e!, raha te handray
Ilaozy ny otanao
Hafohizo!, fa ilay Ray!

Te hanome fiainam-baovao
Ho anao, raha madio ianao
Koa raiso Jesôsy izao
Ny ràny, hanadio anao. (X2)

Koa raiso Jesôsy izao
Ny ràny, hanadio anao...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : zah MTF (Zah Mamafy Teny Fiainana)
Vangy : 923
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 11/03/2021 18:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716