Ilaiko Ianao (zah MTF (Zah Mamafy Teny Fiainana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
*Fotoana iray nampitràka ahy
Raha vao nandre niazakazaka e!
Saingy kely aho ka tsy mahatazana
Fa tery ny làlana.

Asa angaha raha mba hiakatra ambony
Hiani-kazo na irony tamboho irony
Mba hahita Anao, hatitako Anao. (X2)

*Ilaiko Ianao (X3)
Jesôsy ô!, Ilaiko Ianao. (X2)

Nitraka Ianao ka nahita ahy
Hay, hitanao aho
Nidobodoboka mafy ny foko
Izay fotoana izay tsy hoadinoako
Midina hoy Ianao
Fa handroso any aho
Ho ao an-tokatranonao
Hitondra famonjena
Izao anio izao.
.....
Fotoana iray nampitràka ahy
Raha vao nandre niazakazaka e!
Saingy kely aho ka tsy mahatazana
Fa tery ny làlana.

Asa angaha raha mba hiakatra ambony
Hiani-kazo na irony tamboho irony
Mba hahita Anao, hatitako Anao. Eee!!!

*Ilaiko Ianao (X3)
Jesôsy ô!, Ilaiko Ianao. (X2)

*Nitraka Ianao ka nahita ahy
Hay, hitanao aho
Nidobodoboka mafy ny foko
Izay fotoana izay tsy hoadinoako
Midina hoy Ianao
Fa handroso any aho
Ho ao an-tokatranonao
Hitondra famonjena
Izao anio izao.(X2)

*Ilaiko Ianao (X3)
Jesôsy ô!, Ilaiko Ianao. (X2)

(Isika rehetra hiara-ilaza hoe:)
Ilaiko Ianao
(Ambarao aminy fa tena ilaina izy)
Ilaiko Ianao
(Ny amin'izay zavatra mety ilainao...)
Ilaiko Ianao
(...Dia ho ento amin'i Jesôsy hoe: ilaiko ianao Jesôsy)
Jesôsy ô!, Ilaiko Ianao.

(N'iza n'iza mila famonjena)
Ilaiko Ianao
(Amin'ny fiainanao rehetra)
Ilaiko Ianao
(Antsoy ihany hoe:)
Ilaiko Ianao, Jesôsy ô! Ilaiko Ianao!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : zah MTF (Zah Mamafy Teny Fiainana)
Vangy : 823
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 30/12/2020 19:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4162