You are here: home > Tononkira > Vlm Ampitatafika

Miderà (Vlm Ampitatafika)

fa lehibe ny antoka hatrizay
ny fitiavan'Izy Aba Ray
f'isika rehetra izao samy mpanota nefa noekeny ho isan'ny olony,
ka asandrato mafy re ny feo
ry voavonjy o!handeha derao
Ry ilay be indrafo sy masina
Andriamanitra fitiavana.
   ref: ry olona o! avia ka miderà
         ny fitiavany mandrakizay
        ny lela rehetra aoka ankalaza Azy,
      hanandratr'Avo ny antononkira.serasera.orgarany
        ry olona o! avia ka miderà
     ny famindrampony mandrakizay,
     ISIKA REHETRA HIFAMPITANTANA
     KA HIARAKA HANDOVA LANITRA.

Na ady sarotra no atrehinao
tsarovy fa ny Tompo tsy mandao
ny tanany mijery anao hatrany
ny famindrampony tsy mba lany,
hiray fo isika hifankatia
hifampitantana ho tonga ary
Jesosy zoky no ho lalana,
izaho sy ianao ho tonga mpihavana.

   ref:...

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Vlm Ampitatafika
Mpamaky : 281
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : vlm
Tamin'ny : 27/07/2018 11:07:51
ID : 10794

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo