You are here: home > Tononkira > Vlm Ampitatafika

Ry foko (Vlm Ampitatafika)

o! ry foko anatiko ao
etsy ange lazaiko anao
ny fitemponao mazàna
mitroatra mila tsy ho tana,
iangaviko ianao ho tony ( mitonia)
ento mora milefera raha sitrakao.
fa ny fo izay ravoravo
mahamirana ny tava
ny alahelonao kosa
mahareraka fanahy,
iangaviko ianao ho tony( mitonia)
ento mora milefera raha sitrakao
REF: o!ry fTsiky dia ampyoko mihainoa
       ny Antson'ilay Tomponao,
      indro JESOSY izao,
       mandondona eo aminao,
      iangaviko ianao meteza (o! meteza)
      mba handray Azy ho tompo sy Mpamonjinao
o! ry foko anatiko ao
etsy ange lazaiko anao
fa ny fahadiovanao
no mahavelona fanahy
iangaviko ianao meteza (o!meteza)
tsy hitahiry hatezerana handratra anao
REF:...    

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Vlm Ampitatafika
Mpamaky : 263
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : vlm
Tamin'ny : 27/07/2018 10:55:40
ID : 10793

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo