You are here: home > Tononkira > Vlm Ampitatafika

AN- TANANAO (Vlm Ampitatafika)

Mafy koa raha mafy Jesosy o!
havatiana no indro ka mandao
mila tsy ho zakazakaina koa
raha tsy fahasalamana no mahavoa,
mangidy loatra izany fahantrana
very hevitra aho mihanahana
fa mbola andrandraiko ny Antranao
hanamafy ny finoako Anao.
   Ianao no antenaiko hanova indray
  ny androm piainako maloka hatrizay
  ka ny ampitsoko antenaiko ho soa ( tsisy ny hamapanahy fa)
  Ianao no aroko sy vatolampy itokin'ny fo
Eo an tananao Jesosy o! no hametrahako ny fiainako izao;
N'inona hanjo tsy ho kivy ny fo, fa mtononkira.serasera.orgatoky mino Anao tokoa
ka na rivotra hifofo, tsy hampiova hanala ny finoako
hanantena Anao ilay tsy mba mandao, mandry tokoa ny eo
       an- TANANAO

Jesosy o! apetrako eo aminao
izao sedra sy fitsapana izao
mampahory izany fanahiko
ka toloko tomany re ny fo,
miandrandra famonjena avy Aminao
ny fiainako mila Anao
trotraky ny adim-piainana
ka tolory ny tananao aho
Ianao no antenaiko........
  
   AN TANANAO JESOSY O IZAO NO HAMETRAHAKO IZAY MOMBA AHY
   KA NY HOAVY ANTENAIKO RY RAY, HIRATRA SOA TSY HISY INTSONY NY HAMPANAHY

    

Hevitra mandeha

vlm (27/07/2018 11:33:25)

Izaho mahalala ny hevitra heverako anao hoy Jehovah dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza , ka noho izany aza kivy na ketraka fa Ny Tompo no miara dalana aminao,

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Vlm Ampitatafika
Mpamaky : 383
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : vlm
Tamin'ny : 27/07/2018 11:24:07
ID : 10795

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo