You are here: home > Tononkira > Vlm Ampitatafika

Paradisa (Vlm Ampitatafika)

https://tononkira.serasera.org/hira/vlm-ampitatafika/paradisa

1- Njao misento ny fo fa tena tohina
tokoa,lasa ianao
Tsy ho namana intsony f’efa izay no lahatry ny ao
ambony
Ratrampo sy tomany sesilany no nameno ny
androko androany
Dify teo ireo fotoana mamy
Vahotra ny lela manontany,aiza no hiafarana
Fa nanjombona teo, ilay tsikinao nifarana hatreo
Soa fa teo ilay Jesosy
Zay nanomana ho anao

2-Raha alefa ny saina ka mandinik'ireo lasana
Raha tsy teo ny Tsitoha angamba dia asa lahy
Ratram-po sy tomany sesilany zay fitoniana tsistononkira.serasera.orgy
izany
Nefa moa miserana ihany
Tsy azo itokiana fa ho loa, hosoka avokoa
Fa raha sambatra androany mbola hiondrika ho tojo
tomany

Soa fa teo Ianao Jesosy
‘zay manomana ho ahy

Toerana iray,paradisa nandrandraina hatrizay

Any tsy hisy intsony ny tomany, fifaliana tsy mba
toy izay eto an tany
Ka hisinda avokoa ny alahelon’ny fo nanaloka

Toera-mamiko, paradisa voa homana ho ahy
Dodona ery ny foko izany hifanatri-tava amin’ireo
havako any
Dia reo zay nandray ny famonjena dieny tety an-tany

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Vlm Ampitatafika
Mpamaky : 58
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : vlm
Tamin'ny : 10/09/2019 14:44:57
ID : 12049

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo