You are here: home > Tononkira > Vlm Ampitatafika

IANTRAO (Vlm Ampitatafika)

Njao reko lavitra any
Kikiaka maro tomany
Misentosento mafy ery
mapahonena mijaly
Toa helo no itoerany
manjombon-dava ny androny
tsy misy fiadanam-po
voafatotra voageja koa

REF : Jesosy o mba iantrao re
reo olonao marobe
andevozin'ny toaka
ka potika ny fiainany
tononkira.serasera.orgJesosy o mba iantrao re
reo olonao marobe
minia tsy mahalala
fefena tsy hay rarana
voafitaky satana

Miantso anao Jesosy anio
sakaiza tsara o mba fidio
zay lalana izoranao
ahavonjy ny fanahinao
Fa ho afaka tokoa ianao
Raha Izy no ao amponao
Hisandratra ny andronao
hamiratra ny fiainanao  

Mpihira : Vlm Ampitatafika
Mpamaky : 273
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : johannarakotoarimanana
Tamin'ny : 19/12/2019 16:27:09
ID : 12305

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo