You are here: home > Tononkira > Vlm Ampitatafika

KOLOINA (Vlm Ampitatafika)

1-Takona indray ilay hazavana kely teo
Nandrandraina hiposaka , dify dia izay
Izay nantenaina koa , namitaka nandratra fo
Ray o, mba ho aiza moa

Lalana sarotra ho diavina
Fandresena rahatrizay ho fiadanana
hampiorina finoana ka haharitra
Ilay hazo fijaliana

Ref: Ny fo hatoko hanantena hatrany, hatrany
Ny Tompo anie ka tsy hamela anao izany
Hatolory Azy fa ny tanany
Mitsotra miTsiky dia ampyandry anao malalany

2-Sedra atolotrao navalin'ota izay natao
Mampilofika ao am-po mafy tokoa
Afo mamaivay mandrotika ny ati-fanahy
Ray o, fanefena anay

Lalana sarotra ho diavina
Fandresena rahatrizay ho fiadanana
Hijoro mahatoky ka hamiratra
Toa volamena ianao

Ref: Ny fo hatoko hanantena hatrany, hatrany
Ny Tompo anie ka tsy hamela anao izany
Hatolory Azy fa ny tanany
Mitsotra miandry anao malalany

Mpihira : Vlm Ampitatafika
Mpamaky : 150
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : johannarakotoarimanana
Tamin'ny : 07/06/2021 13:22:18
ID : 13504

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo