You are here: home > Tononkira > VLM Ampitankely

Ventsoiko an-kira (VLM Ampitankely)

1.Ventsoiko an-kira, toriko aminao
Jesosy Tompo ‘Lay fiainam-baovao
Zanaky ny Avo nefa nanetry tena
Ka tonga nofo hitondra famonjena

Fiv: (Noely) Noely mamy, noely hatrany
‘Lay fifaliana eran-tany
(Fa tera) Teraka androany, tonga eto an-tany
‘Lay Zanak’AndriTsiky dia ampyamanitra

2.Ventsoiko an-kira hanako eran-tany
Tonga Jesosy hamafa ny tomany
Nanaiky Izy hanavotra antsika
Fa tiany ianao handova Paradisa

3.Raiso Jesosy ho Tomponao anio
Ialao satana fa Izy no fidio
Ny fahotana mangeja anao rehetra
Dia ho sasany eny tsy misy fetra

A/C: RALAINIRINA Valitera

Mpihira : VLM Ampitankely
Mpamaky : 190
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : fansDiez
Tamin'ny : 28/07/2020 09:11:30
ID : 12933

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo