Tapak'hevitra (VLM Ampitankely)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Velona tsy misy Anao Jesosy,
miaina tsy misy hafaliana fa tomany
Feno fanahiana, tsy misy mahatoky,
fiainana feno tebiteby tsy misy farany
Miantso Anao aho Tompo Malala,
monena re aty am-poko lalandava
Fa ao Aminao, tsy isalasalana,
ny asan’ny maizina potika sy ravarava

Fiv (F’izao!)
Tapak’hevitra aho Jesosy hifikitra Aminao tokoa
Tapak’hevitra aho hitsinjo ny fiainako rahatrizay
Anefa ampio aho ry Tompo fa malemy,
mora lavo, mba hahajoro
Ho isan’ireo nantsoina ka ho voafidy koa
Hanadino ny fahalavoako rehetra taloha

2.Hatrizay, hatrizay aho nikasa handroso,
voasakana, eny voasompatra koa
Ilay fahavalo no indro nisosoTapak'hevitraka;
niala tam-poko ilay fikasana soa
Dia nanohy hadalana, nandika lalàna,
ninia nandà ny amin’ny Didy folo
Fa ankehitriny indro tonga saina,
hariako ireo lasa ratsy manontolo

Fiv (F’izao!)
Tapak’hevitra aho Jesosy hifikitra Aminao tokoa
Tapak’hevitra aho hitsinjo ny fiainako rahatrizay
Anefa ampio aho ry Tompo fa malemy,
mora lavo, mba hahajoro
Ho isan’ireo nantsoina ka ho voafidy koa
Hanadino ny fahalavoako rehetra taloha

'Arovy aho Jesosy, fikiro fa tsy mahazona Anao
Tsy te ho very na dia mpanota
Anao aho, tapak’hevitra e!'

A/C Pastora RAZAFINIAINA Laurent
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : VLM Ampitankely
Vangy : 712
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fansDiez
Daty : 25/01/2019 22:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0769