Mitsangana (VLM Ampitankely)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Mitsangana ry olom-boafidy
Hirahin’I Jehovah ianao
Mandehana efao ny adidy
Atokisany ho vitanao
Aza manahy ny fiadiana
Zay marefo eo an-tananao
Mandehana aza be fikiriana
Amin’izao herinao izao

Fiv Fa Jehovah no Tompon’ny hery
Loharanon’ny tanjaka
Hampodiana ireo ondry very
Tsy ho latsaka an-davaka
Hampiverina azy ireo ao am-bala
Hampandroso ihany koa izay tsy ao
Ny fahavalo tsy maintsy hiala
Horesen’Andriamanitrao

2.Mitoria ny Filazantsara
Ialao ireo ratsy fanao
Mitsinjova ny fiafara
Mitariha ihany koa ny namanao
Matokia fa tsy maintsy mandresy
Amin’ny ady zay atrehinao
Mifalia ao amin’i Jesosy
Ilay tokana tsy mba mandao

Fiv Fa Jehovah no Tompon’ny hery
Loharanon’ny tanjaka
Hampodiana ireo ondry very
Tsy ho latsaka an-davaka
Hampiverina azy ireo ao am-bala
Hampandroso ihany koa izay tsy ao
Ny fahavalo tsy maintsy hiala
Horesen’Andriamanitrao

AC RAZAFINIAINA Laurent
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : VLM Ampitankely
Vangy : 778
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fansDiez
Daty : 25/01/2019 22:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0737