Indro havaoziko (VLM Ampitankely)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fiv: Indro havaoziko anio ny fanoloran-tenako
ho Anao Jesosy Tompo sy Mpanjakako
Ho Anao izay nanolotra ny tenanao ho sorona
hamonjy ny fiainako

1.Fa raha ny momba ahy
dia tsy manjary aho (2 fois)
Kanefa Ianao Jesosy ô tsy mijery izany
Vonona hamela ahy hatrany

Fiv: Indro havaoziko anio ny fanoloran-tenako
ho Anao Jesosy Tompo sy Mpanjakako
Ho Anao izay nanolotra ny tenanao ho sorona
hamonjy ny fiainako

2.Ny ao am-poko ao,
dia feno loto (2 fois)
Kanefa Ianao Jesosy ô tsy mijery izany
Vonona hamela ahy hatrany

Fiv: Indro havaoziko anio ny fanoloran-tenako
ho Anao Jesosy Tompo sy Mpanjakako
Ho Anao izay nanolotra ny tenanao ho sorona
hamonjy ny fiainako

3.Ekeko Tompo ô
tsy mendrika aho (2 fois)
Kanefa Ianao Jesosy ô tsy mijery izany
Vonona handray ahy hatrany

Fiv: Indro havaoziko anio ny fanoloran-tenako
ho Anao Jesosy Tompo sy Mpanjakako
Ho Anao izay nanolotra ny tenanao ho sorona
hamonjy ny fiainako

4.Ny tenako
atolotro Anao
Diovy hamasino
ary anjakao
Koa aoka Ianao Jesosy ô no hitarika ahy
Mba ho miaramila tena sahy

A/C: RALAINIRINA Valitera
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : VLM Ampitankely
Vangy : 916
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fansDiez
Daty : 25/01/2019 15:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2166