Zazavavy Fy (Van Kool)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Zazavavy Fy eo an’jaridaina
Maka voninkazo, dia miondrika misaina
Ranomaso kely, indro tafapatraka
Fiarahana tsy mety ka aleo misaraka

Nahoana indrinra Iky ianao ry tovolahy
Neninao, indrisy! Nefa izy fatratra
Miverena re , tongava dieny izao
Fa ny fony anie mbola mihaino anao

Ilay zazavavy fy, lasa feno tsiky
Satria fantany io, toy ny milalao
Tonga ny maraina, lasa velon’kira izy
"Iray no mandao, folo tonga mitalaho".

Zory ny lalanao, mazava ry olon’iny
Ny fitiavany efa tony, tsy mila anao intsony
Dia veloma hono hoe, izy tena sitrana
Na ny solonao aza efa miandry hitantana

RR. Fetisoalaza/ Laza/ Riri/ Erick/ Jajy (France2003)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Van Kool
Vangy : 2950
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 09/01/2004 07:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0776