Vohitsara (Van Kool)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eny Manjakamiadana ny lapan’ireo Mpanjaka
Eo anilanilany eo i Andafiavaratra
Eny Ambohitsaina no misy ny ‘Versité
Eo anilanilany eo ny môzôlé.

Eny Ambohitsorohitra no misy ny Prezidah
Eny Mahazoarivo no misy ny Praiminisitra
Tsimbazaza ny Parka sy ny Depioté
Eo Analakely ny kianjan’ny trezy mey

Antananarivo, io no kapitaly
Ao Vohitsara ilay Tany manan’tantara
Na ratsy io na tsara, Betsaka ny ambara .

Eny Antaninarenina no misy ny volabe
Eny daholo no manao bazary ry debabe
Dia mifanesika sady manetroka ny tômabil’
Ka mankarenina sady midofaka ny eny am’ville.

Eny an’dalam-by no misy ny tsenabe
Tsisy miala fa miady varotra, samy be klé
Misamboaravoara ka mivezivezy ny akama sy ny kil’
Ady mazava ka aloe mifanaja fa io tsy maninona.

Antananarivo, io no kapitaly
Ao Vohitsara ilay Tany manan’tantara
Na ratsy io na tsara, Betsaka ny ambara .

Eny aMandroseza no misy ny Jirama
Mizara ny rano ary koa manazava an’ilay Tanà
Eo Befelatanana no misy ny hôpitaly
Mikarakara an’ireo vizambizana sy ny marary

Eny am’stasiô ireo zotra ho any am’Faritany
Mitondra ny vatsy sy ny entana vokatry ny Tany
Eny Ivato no miainga sy midina ny rôpilany
Mampifandray an’tsika sy ny any Ivelany any.

Antananarivo, io no kapitaly
Ao Vohitsara ilay Tany manan’tantara
Na ratsy io na tsara, Betsaka ny ambara .


RRF - Paris, Décembre 2003
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Van Kool
Vangy : 725
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : jajyrandria
Daty : 19/08/2019 18:07
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0717