Fitia mikiry (Van Kool)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ferako kanefa
Tsy mamela ahy hilefa
Hanadino ny efa ela
Fa matetika fifoha

Zary toa mikiky
Mamahatra mihitsy
Tsy ahafahana mikipy
Na hanalavitra hidify

Indraindray koa aza
Miha mahazo vahana
Ka mietraka fibahana
Ataoko hoe mbola misy
Tavela anefa indrisy
Toa manatena tsisy

Moa va tsy toy
Irony afon’ampombo
Tsy tazana fitombo
Hay mandevona fandoro

Ilay fo feno ratra
Mavesatra ao an’tratra
Angamba koa aho tsy zatra
Fa loatra ka tsy zaka

Ny aina manotolo
No tsy afaka hijoro
Angamba tsy hivaha intsony
Ity fatotra mandrojo
Ianao no hany fanafody
Andrasako hampitony


RRF - Argenteuil, Mai 2006
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Van Kool
Vangy : 796
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : jajyrandria
Daty : 19/08/2019 18:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1134