Amin'ny hatsaram-panahy (Van Kool)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maro ny mosarena,
Mitady famonjena avy aminao,
Tolory raha azo atao.
Ireo manan-kilema
Semban’drahona ny tena Ka mba tafio
Amin’ny hatsaràm-panahy.

Ny tananao no antenainy
Ho hery sy tanjaky ny ainy
Ny fonao no ilainy
Hanoro azy ny tsy hainy.
Ireo manan-kilema
Semban’drahona ny tena Ka mba tafio
Amin’ny hatsaràm-panahy.

Amin’ny hatsaràm-panahy, Amin’ny hatsaràm-panahy...
Ireo manan-kilema
Semban’drahona ny tena Ka mba tafio
Amin’ny hatsaràm-panahy.

Ireo osa kosa
Mba te hanatontosa nefa tsy afaka,
Aza miataka.
Ireo manan-karena
Be fitia sy onena Mbà manomeza
Amin’ny hatsaràm-panahy.

Ny tananao no antenainy
Ho hery sy tanjaky ny ainy
Ny fonao no ilainy
Hanoro azy ny tsy hainy.
Ireo manan-karena
Be fitia sy onena Mbà manomeza
Amin’ny hatsaràm-panahy.

Amin’ny hatsaràm-panahy, Amin’ny hatsaràm-panahy...
Ireo manan-karena
Be fitia sy onena Mbà manomeza
Amin’ny hatsaràm-panahy.


RRF - Argenteuil, Avril 2004
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Van Kool
Vangy : 589
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : jajyrandria
Daty : 02/09/2019 17:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1925