Tsy hihemotra Aho (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nandre vaovao tsara ‘ndray andro izay
Dia lasa akaiky an’i Jehovah Ray.
Ny fitiavako azy tsy nihena tsy lefy.
Na iza hanaratsy ‘zaho tsy hanaiky ho resy .
(Ooohh)Handroso ihany aho fa
(Ooohh)Tsisy hampitanondrika ahy.

Ny finoana no ampinga hiaro ahy tsy ho lavo,
Hahatonga ahy tsy hatahotra akory.
Ny teniny indray no jiro hanazava.
Ny vavaka hanampy ahy hijoro.
Na hisy hanenjika aza, tsy hihemotra aho.

Hanorina ve? Aiza no mafy?
Ny fasika ho rava, aleo vatolampy
Satana hitaona ahy ho diso safidy.
Ny ho vokany anefa ho ratsy ary hangidy.
(Oooh)tsy ho voafitaka aho.
(Oooh)aleoko àry mandà.

Ny finoana no ampinga hiaro ahy tsy ho lavo,
Hahatonga ahy tsy hatahotra akory.
Ny teniny indray no jiro hanazava.
Ny vavaka hanampy ahy hijoro.
Na hisy hanenjika aza, tsy hihemotra aho.

Ny finoana no ampinga hiaro ahy tsy ho lavo,
Hahatonga ahy tsy hatahotra akory.
Ny teniny indray no jiro hanazava
Ny vavaka hanampy ahy hijoro
Na hisy hanenjika aza, tsy hihemotra aho.
Tsy hihemotra aho… tsy hihemotra aho.

JWBroadcasting December 2020
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tvbroadcasting
Vangy : 546
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : raniNi1
Daty : 19/12/2020 01:22
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728