You are here: home > Tononkira > Tvbroadcasting

Tiako be indry ry zanako vavy (Tvbroadcasting)

Tsaroako akia ’lay feo,’lay feo miangoty.
Ianao fihiniko eo, ’zaho mandrotsirotsy.
Dia teny niha lehibe,nianatra nandeha.
Nahafatifaty ahy er?!

Ry tiana, tsy foiko, ianao fifaliako.
Tsy hiova na oviana, f’ianao ’nie tiako...ianao tena tiako

’Zao efa voninkazo ’lay voa nafafy;
Tsy mba nanaiky halazo.Nandresy ady mafy.
Dia ’zay natoro an-dry, tadidio akia.
Ry zanako aza hadino izao:

“Ry tiana, tsy foiko. Ianao fifaltononkira.serasera.orgiako.
Tsy hiova na oviana, f’ianao ’nie tiako.”...ianao tena tiako

Fa Jehovah anie tsy hanadino anao,
Satria manompo azy,mikely aina ianao.
Marina izy ka hotsaroany fa
Ianao tia Azy.

Ry tiany, tsy foiny, ianao fifaliany(ianao fifaliany)
Ry tiany, tsy foiny, ianao tena hampiany(hanampy anao Izy)
Ry tiany, tsy foiny, ianao tsy hariany(tsy hanary anao Izy)
Ry tiany, tsy foiny, ianao tiany.(tiany e... tena tiany)

               JWBroadcasting  August 2017

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tvbroadcasting
Mpamaky : 9
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : raniNi1
Tamin'ny : 11/09/2019 11:03:21
ID : 12053

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo