Mianara mba handroso tsara (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Zaza izahay kanefa fahazaranay
hatrami’zay ny miara-mianatra ny Baiboly.
Nampianatra ahy i Dada alohan’ny hatory.
Lehibe aho ‘zao ka zatra tsy mila atoro akory.
Lasa mamaky irery sady amin’ny fo fa tsy hoe an-tery.
Tena inoako sy tsaroako ireo andinin-teny hanampy ahy tsy ho very.

Ref: (dieny izao mianara) dia ho toy ny hazo nambolena amoron’ny ony.
(mba handroso tsara) ho lalim-paka sy haniry ho lasa ambony.
(alatsaho am-po)hahomby izay hatao,hiseho ny fandrosoana.
(ho rakitry ny soa)hatsinjo lavitra ary tsy zaza intsony.

Raha anontaniana izaho ve moa dia hangiana;
Tiako hovaliana dia ho gaga ‘zany ankizy hafa;
Sady efa eo daholo izay hanampy.
Haiko hatram’ mbola kely io fa tsisy mampanahy.
Lasa mamaky irery sady amin’ny fo fa tsy hoe an-tery.
Tena inoako sy tsaroako ireo andinin-teny hanampy ahy tsy ho very.

Ref: (dieny izao mianara) dia ho toy ny hazo nambolena amoron’ny ony.
(mba handroso tsara) ho lalim-paka sy haniry ho lasa ambony.
(alatsaho am-po)hahomby izay hatao,hiseho ny fandrosoana.
(ho rakitry ny soa)hatsinjo lavitra ary tsy zaza intsony.

Na teny kely aza sarobidy.
Raiso am-po mba ho tadidy,
Sady hanampiana ny hafa hahita an’ilay fanalahidy…
(dieny izao mianara)...(mba handroso tsara)
(alatsaho am-po)...(ho rakitry ny soa)

Ref: (dieny izao mianara) dia ho toy ny hazo nambolena amoron’ny ony.
(mba handroso tsara) ho lalim-paka sy haniry ho lasa ambony.
(alatsaho am-po)hahomby izay hatao,hiseho ny fandrosoana.
(ho rakitry ny soa)hatsinjo lavitra ary tsy zaza intsony.

JWBroadcasting December 2016
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tvbroadcasting
Vangy : 634
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : raniNi1
Daty : 28/06/2019 11:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0738