Mba jereo aho (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eh ! io findainao io!
Eo aloha mba pio,andao hikalo, hivazo, hifalifaly.
Dia ‘zao koa:mba jereo kely aloha, ny ao ve mahasoa?
Sao ‘zay tsara indray no hafoinao.
F’andao, andao indray aloha mba hiaraka aminay androany.
Hapetrao iny f’aza dia variana any.
Ref: Jereo aho!,mba resaho,sao mangiana.
Fa ‘tsika rehetra anie fianakaviana.
Jereo aho!, mitrakà! ; miresaha!.
Miangavy aho mba,
mba aoka io fa jereo ho’aho ‘zah!…
Aiza ? aiza ianao no ahita namana hahavita
hanampy ary hampitraka sy hiara-hisento?
Efa ireo, f’aza mba variana. Jehovah anie no tiany;
Ka ‘reo no aza hatakalo na hariana (mba saino)
Tsy aleonao ve mba miaraka amin’izy ireo androany?
Hapetrao iny f’aza dia variana any.
Ref: Jereo aho!,mba resaho,sao mangiana
……………//………….
(ouououououou)
Mba aoka io fa jereo ho’ aho ‘zah!…
(ouououououou)

(oh oh ohohohoh)
Aza manaiky a(Aza manaiky hadalain’io)
Mety ho tsaho na mety ho lainga no ho hitanao ao.
Ny tena fiainana anie...(ny tena fiainana anie tsy ao)
Tsy aleo indray ve mba aty,avia!
K’ andao hiara-dia ‘zao.

Eh! Jereo ‘ndray aty,avia mba mankafy.
Andramo indray aloha izay tena mamy.
Tsiky ,endrika sariaka, lalao na koa mozika.
Fiarahana mafana no miandry anao ka…
Aza mihondrika ao fa sao dia hanenenao izany.
Hapetrao iny f’aza dia variana any.
Ref: Jereo aho!,mba resaho,sao mangiana.
Fa ‘tsika rehetra anie fianakaviana.
Jereo aho!, mitrakà! ; miresaha!.
Miangavy aho mba,
mba aoka io fa jereo ho’ aho ‘zah!…
...Mba resaho,sao mangiana.
Fa ‘tsika rehetra anie fianakaviana.
Jereo aho!, mitrakà! ; miresaha!.
Miangavy aho mba,
mba aoka io fa jereo ho’ aho ‘zah!.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tvbroadcasting
Vangy : 729
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : raniNi1
Daty : 14/08/2019 17:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723