You are here: home > Tononkira > Tvbroadcasting

IZAY TSARA INDRINDRA NO OMEKO ANAO (Tvbroadcasting)

Raha ny faniriako, Jehovah dia ny hanompo  Anao.
Ka raha toa mbola miaina aho dia hanao izay azo atao.
Ny teninao  ’ndeha hozaraiko ,tsy hohazoniko irery.
Dia ‘zaho ho afa-po moa izay mihaino ahy dia tsy mba ho very.
      Fa raha any ato am-poko ato efa tia Anao foana hatrizay,
          dia tsy hiova fa hatoky anao  foana ho mandrakizay.

     Ref: Ry Jehovah Raiko o!,Ianao no deraiko
            Ny voady nataoko dia tsy maintsy hefaiko
            Dia vonona aho hanao izay sitrakao,
          tononkira.serasera.org  ka ‘zay tsara indrindra Jehovah no omeko anao.

Foiko ho Anao re Jehovah ny momba ahy rehetra.
Ary homeko anampiana ny hafa izay an’ahy tsisy fetra.
Raha hoe mitaraina izy ireo, ‘zaho tsy handao ,sanatria!.
Ho afa-po sy ho faly aho satria ‘zay  ‘lay hoe “tena tia”.
     Fa raha any ato am-poko ato efa tia Anao foana hatrizay
         dia tsy hiova fa hatoky anao  foana ho mandrakizay.

     Ref: Ry Jehovah Raiko o!,Ianao no deraiko…
             …..                                                       *2

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tvbroadcasting
Mpamaky : 154
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : raniNi1
Tamin'ny : 21/05/2019 09:42:03
ID : 11716

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo