You are here: home > Tononkira > Tvbroadcasting

Ilay Tontolo vaovao (Tvbroadcasting)

https://tononkira.serasera.org/hira/tvbroadcasting/ilay-tontolo-vaovao

Alefaso kely ange ny sainao :
Feno ankizy ao andrefana ao milalao,
Tsisy tahotra intsony.
Ny alahelo izany ,tsisy tsaroany.
Mamboly indray no asan’ny olon-drehetra.
Olo-marina ireo sady tsara toetra.
Dia ho fiadanana foana,
Ny andro sy ny volana ary ny taona.
Tena tiany ianao,
Tiany ho hitanao dieny ‘zao
Ilay tontolo vaovao.
    
Ho feno fanantenana
Miredareda ao anatinao.
Hitsiky indray ‘lay fo mitalaho,
Ka saintsaino, andrandrao
Ilay tontolo vaovao.

Iny lalan-kely amoron-drano iny,
Ao ‘lay tranonareo ao, ‘lay toerana kanto.
Iny misy vahiny,
’lay tsaroanao foana tato ho ato.
Ny fidoboky ny fony,
Maika ny hofihininao indray,
Dia tsy hisaraka intsony.
Ho ranomasom-pifaliana aniTsiky dia ampye izay.
Na ny fasana aza,ho foana ary ho lao,
Satria tontolo vaovao.
  
Ho feno fanantenana
Miredareda ao anatinao.
Hitsiky indray ‘lay fo mitalaho,
Ka saintsaino, andrandrao
Ilay tontolo vaovao.

Jehovah efa niteny(v):Izy efa niteny)
Ireny rehetra ireny(l,v):mbola homeny)
Hotanterahiny koa(v):hotanterahiny koa)
‘zay nofinofy mba nirian’ny fo.

(l,v):Nà nànànà nà nànà nànà)
  
Ho feno fanantenana
Miredareda ao anatinao.
Hitsiky indray ‘lay fo mitalaho,
Ka saintsaino, andrandrao,
(l)Ilay tontolo vaovao.(v):Ilay tontolo vaovao)
(l)Ilay tontolo vaovao.(v):Ilay tontolo vaovao)
(l)Ilay tontolo vaovao.(v):Ilay tontolo vaovao)
(l)Ilay tontolo vaovao.(v):Ilay tontolo vaovao)

JWbroadcasting February 2020.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tvbroadcasting
Mpamaky : 120
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : raniNi1
Tamin'ny : 13/02/2020 17:23:16
ID : 12550

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo