Havako Ianareo (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tonga soa, faly ery ny fo na dia lavitra aza ny aty.
Raha vao niainga koa dia Jehovah moa
no nitantana ny dia.
Fa fitiavana tsy hay fefena, ‘zay no hita n’aiza jerena
Ny anadahy sy rahavavy tena hoe mpianakavy,
ka faly aho mihira hoe:
“Vahoakan’i Jehovah, iray ihany samy tena tiako.
Na dia samy hafa fihaviana, tsy misy hafa fa fianakaviako.”

Tsikitsiky, endrika sariaka no nandraisanareo anay.
Dia feno hafaliana raha nandre mozika.
Hay toy izao ny hoe tafaray.
‘Sika fianakavian’i Jehovah, miray saina sy miray fo.
Koa na avy aiza ary ianao,dia avia ka andao
‘sika hiara-hihira hoe:
“Vahoakan’i Jehovah, iray ihany samy tena tiako
Na dia samy hafa fihaviana,tsy misy hafa fa fianakaviako.”

Tonga hizara ilay vaovao tsara. Dia mba hiantra sy haneho fitia.
Ny olona hitoriana, tsotra sady liana.
Tena faly aho mankaf?.
Dia ‘reo namana mikarakara no vao mainka mahatamana.
Ka na samy hafa foko,na hoe samy hafa loko,
Dia havako ianareo!
Tsarovy izao:
Maneran-tany tsy misy mifandao.
Na any Malia na koa Italia no halehanao:
“ Vahoakan’i Jehovah, iray ihany samy tena tiako
Na dia samy hafa fihaviana, tsy misy hafa fa fianakaviako.”

Na tsy mitovy fiteny, tsy misy hafa, sady miray hina.
Na dia samy hafa firenena , dia iray ihany satria fianakaviana.
Vezo, Tandroy, Espaniola na Sinoa.
Mainty na fotsy, lehibe na tsia.
Na Japoney, Poloney na koa Zoloa.
Dia iray ihany ,ka mifankatia.
JWBroadcasting September 2019
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tvbroadcasting
Vangy : 681
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : raniNi1
Daty : 05/09/2019 22:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725