You are here: home > Tononkira > Tvbroadcasting

Fon'Ankizy (Tvbroadcasting)

https://tononkira.serasera.org/hira/tvbroadcasting/fonankizy

Kristy mih'tsy no nilaza hoe: aoka ianao ho toy ny zaza.
Mirehareha ny maro nefa moa.
Ny ankizy kosa mba tso-po, manetry tena izy;
Koa mba miezaha ho toa azy, ho fon’ankizy.

Ho toy ny zaza: haneho fitia sy hanao soa,
Hifanaja, tsy hanavakavaka ao am-po.
Na samy hafa aza, toy ny hoe 'ray ihany, 'ray ny fiaviany.
Fa ny zaza tsy mahita izay tsy fitoviany.

Ny manodidina antsika, mianjonanjona ary masiaka.
Manilikilika an’ireo ambany.
Ny ankizy kosa tsy ohatr’izany.
Koa tahafo àry izy,ka ny fonao ovao ho fon’ankizy(l:ovao ho fon’ankizy)
  Tsiky dia ampy
Ho toy ny zaza: haneho fitia sy hanao soa,
Hifanaja, tsy hanavakavaka ao am-po.
Na samy hafa aza, toy ny hoe 'ray ihany, 'ray ny fiaviany.
Fa ny zaza tsy mahita izay tsy fitoviany.
Tsotra anie ny zaza!

Na ny olon-dehibe sy matotra anie
Mila mahatsiaro hoe tsy mirehareha.
Fa toy ny zaza,tsy mba miseho ho ambony;
Satria ny zaza dia tsotra ny fony.

Ho toy ny zaza: haneho fitia sy hanao soa,
Hifanaja, tsy hanavakavaka ao am-po.
Na samy hafa aza, toy ny hoe 'ray ihany, 'ray ny fiaviany.
Fa ny zaza tsy mahita izay tsy fitoviany.
Tsotra anie ny Zaza!

JWBroadcasting May 2020

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tvbroadcasting
Mpamaky : 31
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : raniNi1
Tamin'ny : 22/05/2020 15:35:52
ID : 12745

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo