You are here: home > Tononkira > Tvbroadcasting

Faly aho fa tsy resy (Tvbroadcasting)

Tsy mora ny andro tsirairay,
fitsapana no miandry ahy. ..(no miandry ahy)
Ka tapa-kevitra aho ny hiady
n’inona n’inona ho avy, ho haiko ny hiatrika azy.
Fa ny miomana no ilaiko mba ho vonona ny saiko,
hojereko dieny izao izay lazaina sy ho hatao.
Tsy maintsy mafy anefa moa,
ka aleo hivavaka  aho aloha:
          Ampio aho mba tsy ho resy n’inona n’inona hitranga.
          Ampio aho mba tsy ho resy mba tsy hivadika atononkira.serasera.orgho androany. ( aaaan)

Misy efa ampoiziko sahady
fa haneso sy hanaraby …(ampoiziko sahady)
Misy tanora any an-tsekoly tsy hoe mino ny baiboly.
Mitaona ahy mba hikomy.
Fa fantatro aho fa hotereny,namana tsy tsara ireny,
ka holaviko avy hatrany.‘Zaho tsy hanaiky hanao izany.
Manompo an’i Jehovah aho.
Ka ‘zaho tsy ho menatra fa sahy.
      Dia faly aho fa tsy resy, na mafy aza vitako ihany
      Dia faly aho fa tsy resy, nandresy aloha androany

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tvbroadcasting
Mpamaky : 148
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : raniNi1
Tamin'ny : 27/05/2019 12:26:02
ID : 11752

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo