Efa ao ambadika ao! (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
'njao manako toa mozika ‘zany siokam-boronkely.
Ny masoandro mibaliaka.Ireto voninkazo hafakely.
Ary efa hotsenainao ireo havana tianao.
Hay ‘zao Paradisa izao,hay tao akaiky tao!.

Tranokely mahasondriana eo amoron’ny farihy.
Misy rano mikoriana avy ery an-dohasaha ery.
Hatreny ambony havoana ny sakafo tsy mahaory.
Hay tsy nofy tsy akory,fa tao akaiky tao!.

‘Zay rehetra tiana, ’zay mba niriana
Dia izao tanteraka am’izao.
Ireo tomany hivalona any
fa meva sy tanora indray.

Vonin-draozy vao mamony no mamerovero anao.
Lavorary, faly ,tony eo anilan’ireo namanao.
Dia misaotra an’i Jehovah noho ireo zavatra nomeny.
‘Reny rehetra re'tra ireny,hay tao akaiky tao…

Fotoana mamy,tsy mety lany.
Tsy nofinofy akory izany.
Dia ilay lalaiko, ry sombin’ny aiko,
Avia!,fihiniko eto ianao!.

Hoavy ilay ampitso,ary efa ao ambadika ao.
Fa Jehovah tsy mba diso,ka matoky izany aho dieny izao.
Hiandry foana aho fa tsy ho kivy satria efa kely sisa
ilay tany paradisa:”efa ao ambadika ao”.

JWBroadcasting November2016
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tvbroadcasting
Vangy : 995
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : raniNi1
Daty : 21/05/2019 11:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0818