You are here: home > Tononkira > Tvbroadcasting

Aza Maika fa Fidio Tsara (Tvbroadcasting)

(L)- Lasa ny saiko hoe mba iza re,‘lay tiana sy ho tia,
Ka ho vady ho lalaiko sy hiaraka ho doria?
Zava-dehibe io tsy kilalao ;Na ho ratsy ho soa.
Fihetseham-po ‘nie mahery raha mbola kely;
Aleo miha-matotra aloha.
Ref: aza maika  f’io tsy mba in-droa.
Miandrasa aloha..
Ka ny saina no henoy fa tsy ny fo.
Io ve mety aminao tokoa? Asa aloha!
Mahaiza ianao mitsara…(v:) mahaiza mitsara)
…ka fidio tsara.

(V)- Tena tiako aloha hoe misy miahy Tsiky dia ampyan’ahy
Ka voasarika aho ‘ndraindray
Nefa fantatro fa tsy mitovy ny lalanay.
Jehovah no tiako hitantana ahy hiatrika ny hoavy.
Tena vonona aho hiandry vao hanambady olona tia sy hanompo Azy.
Ref: (l-v)…aza maika  f’io tsy mba in-droa
Miandrasa aloha..
Ka ny saina no henoy fa tsy ny fo.
Io ve mety aminao tokoa? Asa aloha!
(v)Mahaiza ianao mitsara…(l:)mahaiza mitsara)
(l-v)…ka fidio tsara…
(l-v)…ka fidio tsara.
          
          JWBroadcasting February 2016

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tvbroadcasting
Mpamaky : 92
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : raniNi1
Tamin'ny : 19/09/2019 18:42:38
ID : 12083

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo