Aza asiana Tavela (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tantara iray, tantara taloha…
Nefa hatramin’izao mbola tsaroako
Satria nankarary ny foko.
Tsy mora ho ahy ny hamadika pejy.
Na te hamela aho, dia tsy vitako ihany.
Nandratra ‘zay nataony ahy tamin’izany.

Aleo aho hivavaka izao dia ‘zao :
« Jehovah o, ny alaheloko tsapanao.
Miangavy aho re,mba mitalaho.
Mba omeo hery, fa mila Anao, tsy vita irery.
Ampio! Jehovah, androany aloha
Ampio tsy hanao am-po.
Mba hitovy Aminao: rehefa mamela tsy asiana tavela.
Ampio!, Jehovah, ampio aho moa mba tena hanadino koa,
Hanadio ny fo. »

‘Ndraindray anefa tsy ampoiziko akory,
Miezaka aho fa tsaroako indray
‘zay ratsy efa vitany hatrizay.
Vao mahita azy dia tezitra mafy…
‘lay hoe mamela anie mila mamafa,
Manadino ‘zay rehetra lasa.

Aleo aho hivavaka izao dia ’zao :
« Jehovah o, ny alaheloko tsapanao.
Miangavy aho re,mba mitalaho.
Mba omeo hery, fa mila Anao, tsy vita irery.
Ampio! Jehovah, androany aloha.
Ampio tsy hanao am-po.
Mba hitovy Aminao: rehefa mamela tsy asiana tavela.
Ampio!, Jehovah, ampio aho moa mba tena hanadino koa,

Hanadio ny fo, hanadino koa …
Hanadio ny fo… Hanadio ny fo»

JwBroadcasting October 2020
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tvbroadcasting
Vangy : 744
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : raniNi1
Daty : 03/11/2020 18:51
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0742