You are here: home > Tononkira > Tvbroadcasting

ATY FA TSY ANY! (Tvbroadcasting)

Mandalo eny aho dia mba mijery
Kanefa ihany aleoko irery.
Na ho any aza aho,tsy ho tamana
satria haiko ihany hoe adalana.
Aty kosa aho tena afa-po
Mahazo namana mahasoa
‘zay mampahery,tsy misy ahiahy.
Aty no tena tiako hisy ahy.
       Izay no ato am-poko,
       Izay no hinoako.      
       Jehovah,Ianao ihany no nanoro izany
       Ka niantso hoe “aty fa tsy any!”. tononkira.serasera.org    

Tsy hiova intsony ny ato an-tsaiko.
Matoky aho fa izao no ilaiko.
Mitarika ahy ny teninao,
Manoro an’ahy hoe ‘zao atao.
Dia faly aho ‘zao  mahatsiaro hoe tiana
fa nomenao fianakaviana.
Tsy hoe mandalo fa tena hitohy;
Mpinamana tsy hifankafoy.
       Izay no ato am-poko,
       Izay no hinoako.      
       Jehovah,Ianao ihany no nanoro izany
       Ka niantso hoe “aty fa tsy any!”.  

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tvbroadcasting
Mpamaky : 122
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : raniNi1
Tamin'ny : 22/05/2019 15:51:36
ID : 11723

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo