Andao Hinamana toy ny Taloha (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Namela fery ’lay nataonao,

Mangirifiry hatram’izao.

Raha ny hanadino na hoe hamela,

Tsy tiako hatao nefa tsy mety,

Tsy mba mety.

(FIVERENANA)

Aleo alamina am’izay

’Reo disadisa hatram’izay.

’Ndao avela eo ny lolompo;

’Zaho ho namanao toy ny taloha.

2.Ny hadisoanao tsy hotanisaiko.

’Zay tsara ihany no holalaiko.

’Zaho koa ’ndraindray mba disodiso ihany;

Jehovah anefa dia mamindra fo

hatrany.

(FIVERENANA)

Aleo alamina am’izay

’Reo disadisa hatram’izay.

’Ndao avela eo ny lolompo;

’Zaho ho namanao toy ny taloha.

(TETEZANA)

’Zao ihany aho dia ho any.

Tsisy an-kiandriandry, fa izao dia izao.

’Zaho tsy te harary intsony,

Fa te ho tony, te ho namanao.

3.Manomboka eto, izaho sy ianao,

Hifankatia, tsy hifandao.

Jehovah hitsiky mahita antsika

Manadino sy mamela ny lasa

homba ny lasa.

(FIVERENANA)

Aleo alamina am’izay

’Reo disadisa hatram’izay.

’Ndao avela eo ny lolompo;

’Zaho ho namanao toy ny taloha.

’Zaho ho namanao akaikin’ny fo.

’Zao ihany aho dia ho any!

(Novambra 2022)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tvbroadcasting
Vangy : 633
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : raniNi1
Daty : 25/04/2024 17:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719