Andao fa aza tara (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toa niova be ny andron-tsika. Ny lasa nivalona any.
Mba ampio re aho fa sao tsy  maharaka an’izany.
Raha lasa tsy mahomby  ilay fomba nety indrindra,
Dia fomba fiasa vaovao no haraho .Ovao ‘ndray ny famindra
     Ref:     ‘ndao fa aza tara,miova ny tantara
                  Andao hihatsara, miezaha ka mba mianara
                 ‘ndao handroso hatrany isika mba tsy ho tara…
                 ….Tsy ho tara

Mba vonona maraina. Tsara ery ny fikasana.
Fa misy foana sakana avy eo, Toa tsisy azo ialana.
Aza kivy anefa, na dia mety hoe manahy.
Izay nomena antsika ampiasao  fa ny olana hivaha.
      Ref:  …….//…….

Haraho izay fanovana (aza tara)
Dia jereo ny fitahiana (aza tara)
Tsarovy fa ilay Rainao(aza tara)mijery anao am-pitsikiana;
    
Tsy ho ela intsony kely sisa
       Dia ho hitanao ‘lay tany soa Paradisa
           Soa fa nanao ‘zay azo atao
   Mba tsy ho tara….,miova ny tantara
   Andao hihatsara, miezaha ka mba mianara
  ‘ndao handroso hatrany isika mba tsy ho tara…
   ….Tsy ho tara
Ref:  …….//…….
…Tsy ho tara
                      ...‘ndao f’aza tara.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6193