VOADY MASINA (Antoko Mpihira Taratry ny mazava)
https://tononkira.serasera.org/hira/taratry-ny-mazava/voady-masina-3
1- Andro iray toa zato anioHo an’ireto nifanaiky hifankatia
Tompo ô! Tantano sy vimbino ny fiainany
Amin’ny làlana rehetra mbola ho diaviny
Réf: Voninahitra ho Anao Ray
Hatramin’izao ka ho mandrakizay
Ny voady izay natao tety
Dia ho voadytononkira.serasera.org masina ho doria
2- Hianao ry Ray no nampiray
Hianao no nahatonga ireto nifandray
Hianao no nanakambana ny fitiavany
Sy mpitantana ny ho avin’ny fiainany
Réf: Voninahitra ho Anao Ray
Hatramin’izao ka ho mandrakizay
Ny voady izay natao tety
Dia ho voady masina ho doria