HAFA IHANY (Antoko Mpihira Taratry ny mazava)

1-Hatrizay ka hatram’izao
   Fitiavana tsy kilalao
   No nitiavanao ahy
   ‘Zay mambabo fanahy
   Tsy afaka ao am-bavako ao
   Indrindra fa ny Anaranao
   Ka na inona sedraina
   Ny Anaranao deraina e!

Réf:  Hafa ihany manana Anao
Mahita fifaliana, lavi-pahoriana e
Fiderana  fiainam-baovao
No fiainaktononkira.serasera.orgo izao miaraka Aminao

2-Nitia ahy foana Ianao
Tiaviko ihany koa izao
Ho deraiko lalandava
Ny Anaranao malaza
Fa tsy misy toa Anao
Eto an-tany na any an-danitra
Fa Ianao manjaka izao
Ianao no Andriamanitra

Réf:  Hafa ihany manana Anao
Mahita fifaliana, lavi-pahoriana e
Fiderana  fiainam-baovao
No fiainako izao miaraka Aminao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antoko Mpihira Taratry ny mazava
Mpamaky : 1755
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : faliherijaona17
Tamin'ny : 29/04/2018 09:32:14
ID : 10567

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo