Tara-pahazavana (Tanjona Randrianarivelo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vao mitsiky ianao, dia efa faly aho.Ohatrany hoe misy hery hafa mihitsy,
Ilay fijerinao tena manintona ahy.
Mampite hanome fitia maro, tsy vitsy
Tsy tarehy ihany na bika, fa hatramin'ny toetranao.
Dia ho ataoko tsara kolokolo, sanatria aho raha hilalao.
Fa raha maizina ny androko,
Ianao no tara-pahazavana.
Ianao no andry iankinako raha sendra lavo fa ny tany anie ka malama.
Ka tsy avelako ianao,
Tsy avelako hiafiafy,
Satria ianao tsy namela ahy mihitsy na tamin'ny mora na 'zaho niady mafy.
Fa mamy eh! Ny eo anilanao,
'Zaho tsy hiala eh! Satria tiako ianao
Tamana eh! hitoetra tsy handao,
Satria mamiko ny anilanao.
Ela ny ela fa hitako ihany ilay anjaran'ny fitiavako,
Hitako ihany ilay hitantarako an'izay zava-manjo,
Fa raha mbola tany koa ny tany, dia izao no tadidio,
Fa sambatra sy miadana aho satria mitempo anao anie io foko io.
Fa raha maizina ny androko,
Ianao no tara-pahazavana.
Ianao no andry iankinako raha sendra lavo fa ny tany anie ka malama.
Ka tsy avelako ianao,
Tsy avelako hiafiafy,
Satria ianao tsy namela ahy mihitsy na tamin'ny mora na 'zaho niady mafy.
Fa mamy eh! Ny eo anilanao,
'Zaho tsy hiala eh! Satria tiako ianao
Tamana eh! hitoetra tsy handao,
Satria mamiko ny anilanao.
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Tanjona RandrianariveloHits : 5087
Likes : 1 Like
Created by : Idealy22
Date : 29/04/2025 20:48
