Sarobidy (Tanjona Randrianarivelo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Androany aho tsy hanome toky,
F'aleo ny fihetsiko no hilaza,
Hanambara aminao,
Izay ato am-poko ato,
Sy ireo tsy voalaza hatramin'izay,

Tsy hoe nangina hatramin'izay,
Fa mba te haneho fitiavana miavaka aho,
Fa ireo sento sy tomany,
Tsy tiako handalo an-tavanao.

Na ilay teny hoe tiako ianao tsy ampy ilazàna, ilay fitiavako anao,
Tafalatsaka loatra aho ka tsy afaka ny hiala,
Ianao no naha toy izao ahy,

Androany aho tsy hanome toky,
F'aleo ny fihetsiko no hilaza,
Hanambara aminao,
Izay ato am-poko ato,
Sy ireo tsy voalaza hatramin'izay,
Hanambara aminao ireo tsy voalaza hatramin'izay

Fa tena tiako ianao, tena tiako,
Tsy misy teny afaka hamaritana azy,

Na ilay teny hoe tiako ianao tsy ampy ilazàna, ilay fitiavako anao,
Tafalatsaka loatra aho ka tsy afaka ny hiala,
Ianao no naha toy izao ahy,
Hifikitra mafy aminao malala 'za tsy hiala,
Fa sarobidy amiko ianao,
Fanomezana avy ao ambony misaotra Ray malala ah,
Fa nomenao ilay tena tiako aho.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanjona Randrianarivelo
Vangy : 40
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Natolotrniavo
Daty : 29/10/2024 02:07
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1039