omeko (Tanjona Randrianarivelo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha mbola fitia, aza manahy fa mbola misy ho anao aty,
Za tsy hitsitsy, fa ny fiainako mihitsy no omeko hafoiko ho an-dry,
Tsara karakara, voky tambitamby, feno hafaliana aho manana anao,
Ambony alitara hanaovantsika voady,
Porofoiko fa tsy kilalao,
Aza tsiny raha toa mitomany, ranomasom-pifaliana ny ahy,
Ilay foko iny lasa falifaly,
Satria nahazo sila-panahy
Fa na ny aiko aza omeko oh oh,
hafoiko hatolotro anao,
Izay momba anao ekeko oh oh,
tena sambatra aho manana anao,m
hajaiko omeko fitia,
Ny fiainako mihitsy no atolotro an-dry,
Fa na ny aiko aza omeko oh oh,
hafoiko hatolotro anao oh oh oh!
Efa ela no niaritra nangidy,
ankehitriny aho higoka ny mamy,
ny hahasambatra anao ataoko adidy,
Tsy an-tery anie 'zany
Tsara karakara, voky tambitamby, feno hafaliana aho manana anao,
Ambony alitara hanaovantsika voady,
Porofoiko fa tsy kilalao,
Aza tsiny raha toa mitomany, ranomasom-pifaliana ny ahy,
Ilay foko iny lasa falifaly,
Satria nahazo sila-panahy
Fa na ny aiko aza omeko oh oh,
hafoiko hatolotro anao,
Izay momba anao ekeko oh oh,
tena sambatra aho manana anao,
hajaiko omeko fitia,
Ny fiainako mihitsy no atolotro an-dry,
Fa na ny aiko aza omeko oh oh,
hafoiko hatolotro anao oh oh oh!
Nampiditra El tsoa fyh n'Art
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Tanjona RandrianariveloVangy : 14
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : eltsoa
Daty : 23/03/2026 15:34
