omeko (Tanjona Randrianarivelo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)



‎Raha mbola fitia, aza manahy fa mbola misy ho anao aty,
‎Za tsy hitsitsy, fa ny fiainako mihitsy no omeko hafoiko ho an-dry,

‎Tsara karakara, voky tambitamby, feno hafaliana aho manana anao,
‎Ambony alitara hanaovantsika voady,
‎Porofoiko fa tsy kilalao,

‎Aza tsiny raha toa mitomany, ranomasom-pifaliana ny ahy,
‎Ilay foko iny lasa falifaly,
‎Satria nahazo sila-panahy

‎Fa na ny aiko aza omeko oh oh,
‎hafoiko hatolotro anao,
‎Izay momba anao ekeko oh oh,
‎tena sambatra aho manana anao,m
‎hajaiko omeko fitia,
‎Ny fiainako mihitsy no atolotro an-dry,
‎Fa na ny aiko aza omeko oh oh,
‎hafoiko hatolotro anao oh oh oh!

‎Efa ela no niaritra nangidy,
‎ankehitriny aho higoka ny mamy,
‎ny hahasambatra anao ataoko adidy,
‎Tsy an-tery anie 'zany

‎Tsara karakara, voky tambitamby, feno hafaliana aho manana anao,
‎Ambony alitara hanaovantsika voady,
‎Porofoiko fa tsy kilalao,

‎Aza tsiny raha toa mitomany, ranomasom-pifaliana ny ahy,
‎Ilay foko iny lasa falifaly,
‎Satria nahazo sila-panahy

‎Fa na ny aiko aza omeko oh oh,
‎hafoiko hatolotro anao,
‎Izay momba anao ekeko oh oh,
‎tena sambatra aho manana anao,
‎hajaiko omeko fitia,
‎Ny fiainako mihitsy no atolotro an-dry,
‎Fa na ny aiko aza omeko oh oh,
‎hafoiko hatolotro anao oh oh oh!


‎Nampiditra El tsoa fyh n'Art

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tanjona Randrianarivelo
Visites : 19
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : eltsoa
Date : 23/03/2026 15:34
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0521