Ampidiro aloha ny tenimiafina
Mbola Eto Aho Izao (Tanjona Randrianarivelo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa mbola eto aho izao !Fa mbola eto aho izao !
Fa mbola eto aho izao !
Fa mbola eto aho izao !
Misy fotoana aho reraka,
Misy fotoana aho fay,
F’izany akory tsy midika hoe :
Tsy hiarina indray.
Dia misy fotoana aho ketraka
Tsy mety tafi-tony,
Fa tsy mamaritra ny ampitsoko hoe :
Tsy hitsiky intsony.
Fa na ‘zany na tsy ‘zany e !
Fa mbola eto aho izao,
Mbola mijoro tsara na somary feno ratra,
Fa mbola eto aho izao,
Manantena fa ny tanjoko tsy maintsy ho tratra.
Fa mbola eto aho izao,
Mbola mijoro tsara na somary feno ratra,
Fa mbola eto aho izao,
Manantena fa ny tanjoko tsy maintsy ho tratra.
Tsy hisain-doatra intsony aho,
Fa eloko mihitsy aloha miaina,
Tsy hiasa saina be loatra
F’andrao mihatra aman’aina.
Ho resako amin’ny tsiky
Ireo adin-tsaina sy olana,
Ho ranomasom-pifaliana indray
No hahakotsa ny ondana.
Fa na ‘zany na tsy ‘zany e !
Fa mbola eto aho izao,
Mbola mijoro tsara na somary feno ratra,
Fa mbola eto aho izao,
Manantena fa ny tanjoko tsy maintsy ho tratra.
Fa mbola eto aho izao,
Mbola mijoro tsara na somary feno ratra,
Fa mbola eto aho izao,
Manantena fa ny tanjoko tsy maintsy ho tratra.
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Tanjona RandrianariveloHits : 1366
Likes : 1 Like
Created by : litarazavar
Date : 21/07/2025 14:30
