Hitampify (Tanjona Randrianarivelo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba faniriana ihany ny ahy,
Hoe tsika roa mandrakizay,
Raha sanatria tsy mety akia,
Dia avelao aho aloha hitampify eo an-tratranao,

Raha sanatria tsy ho ahy ianao,
Dia asa angamba izay hitranga,
Tsy ny foko sy ny saiko irery,
Fa ny fiainako mihitsy no hisy banga.

Aza ilaozana aho ry tiako, anilanao no fifaliako,
mety hoe ho afaka miaina ihany raha toa tsy misy anao,
Nefa tsy ho zarizary mihitsy raha toa hifandao aminao ry tiako, anilanao no fifaliako.
mety hoe ho afaka miaina ihany raha toa tsy misy anao,
Nefa tsy ho zarizary mihitsy raha toa hifandao.

Tsy tiako ho tapitra hatreo,
Fa hitohy ilay tantarantsika,
Na indraindray miadiady kely,
Dia tsy tiako hoe very anie ilay fitiavantsika,

Mba faniriana ihany ny ahy,
Hoe tsika roa mandrakizay,
Raha sanatria tsy mety akia,
Dia avelao aho aloha hitampify eo an-tratranao,

Aza ilaozana aho ry tiako, anilanao no fifaliako,
mety hoe ho afaka miaina ihany raha toa tsy misy anao,
Nefa tsy ho zarizary mihitsy raha toa hifandao aminao ry tiako, anilanao no fifaliako.
mety hoe ho afaka miaina ihany raha toa tsy misy anao,
Nefa tsy ho zarizary mihitsy raha toa hifandao.

Aza ilaozana aho malala fa za mila anao,
Iriako foana hoe tsika malaina ny hifandao,
Aza ilaozana aho malala fa za mila anao,
Entika manaraka ana ianao miangavy andao.

F'ianao ihany, tsisy hafa, no ilaiko, za tsy hiala,
Tsy maninona fa izay tia adala,
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanjona Randrianarivelo
Vangy : 112
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Natolotrniavo
Daty : 29/10/2024 02:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0953