Hitampify (Tanjona Randrianarivelo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba faniriana ihany ny ahy,
Hoe tsika roa mandrakizay,
Fa raha sanatria tsy mety akia,
Dia avelao aho hitampify eo an-tratranao,

Fa raha sanatria tsy ho ahy ianao,
Dia asa angamba izay hitranga,
Tsy ny foko sy ny saiko irery,
Fa ny fiainako mihitsy no hisy banga.

Aza ilaozana aho ry tiako, anilanao no fifaliako,
mety hoe ho afaka miaina ihany raha  tsy misy anao,
Nefa tsy ho zarizary mihitsy raha toa hifandao aminao ry tiako, anilanao no fifaliako.
mety hoe ho afaka miaina ihany raha tsy misy anao,
Nefa tsy ho zarizary mihitsy raha toa ka hifandao.

Tsy tiako ho tapitra hatreo,
Fa hitohy ilay tantarantsika,
Na indraindray miadiady kely,
Dia tsy tiako hoe very mihitsy ilay fitiavantsika,

Mba faniriana ihany ny ahy,
Hoe tsika roa mandrakizay,
Fa raha sanatria tsy mety akia,
Dia avelao aho hitampify kely eo an-tratranao,

Aza ilaozana aho ry tiako, anilanao no fifaliako,
mety hoe ho afaka miaina ihany raha tsy misy anao,
Nefa tsy ho zarizary mihitsy raha toa hifandao aminao ry tiako, anilanao no fifaliako.
mety hoe ho afaka miaina ihany raha tsy misy anao,
Nefa tsy ho zarizary mihitsy raha toa kahifandao.

Aza ilaozana aho malala fa za mila anao,
Iriako foana hoe tsika malaina ny hifandao,
Aza ilaozana aho malala fa za mila anao,
Entiko manaraka ana ianao miangavy andao.

F'ianao ihany, tsisy hafa, no ilaiko, za tsy hiala,
Tsy maninona fa izay tia adala,
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tanjona Randrianarivelo
Hits : 1505
Likes : 1 Like
Created by : Natolotrniavo
Date : 29/10/2024 02:04
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0728