Faly (Tanjona Randrianarivelo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mahatsiaro sambatra aho malala fa manana an-dry,
Raha ditsoka aho dia izay angamba ilay ditsoka fitia,
Tafalatsaka aho ka lasa mirediredy,
Fa mino aho f'ianao koa efa ready satria:

Manana anao 'zah faly eh! faly eh!
Ka dia velon-tsiky erÿ,
miara-miaina dia miara-miriaria,
mety hisy ny tomany eh, fa ranomasom-pifaliana,
Hafa foana ny eo anilanao ry tiana,

Entanin-kafaliana aho ka dia tafanoratra,
Isika anie malala efa ataon'olona ohatra,
Hoe vita fatomaty ka tsy ho tafasaraka,
Ka etsy ary izato izy dia tsika roa koa andao mba hiaraka,
Ny lalako akia mba araho fa aza miasa saina,
Fitiavako anao raha lanjaina tsy zaka bataina,
Ka raiso ny tanako, izay lalanao andehanako,
Fa mamy anie raha ny fiainanao koa no mba lasa fiainako.

Mahatsiaro sambatra aho malala fa manana an-dry,
Raha ditsoka aho dia izay angamba ilay ditsoka fitia,
Tafalatsaka aho ka lasa mirediredy,
Fa mino aho f'ianao koa efa ready satria:

Manana anao 'zah faly eh! faly eh!
Ka dia velon-tsiky erÿ,
miara-miaina dia miara-miriaria,
mety hisy ny tomany eh, fa ranomasom-pifaliana,
Hafa foana ny eo anilanao ry tiana,

Dia rehefa any aoriana isika mbola hiaraka,
Hoy izy ny sasany hoe toa tsy mety misaraka?
Hitety izao tontolo izao tsika raha mifanaraka hoe : hono ho aho? mba mety ve raha ianao io no renin-janako ah?

Dia mbola ho sambatra kokoa tsika rehefa amin'izay,
Fa ankohonana mifankatia tena milay,
Dia ireo mpanakora ho gaga raha mahita hoe maninona tsika roa no sady mifankatia no tafita?

Mahatsiaro sambatra aho malala fa manana an-dry,
Raha ditsoka aho dia izay angamba ilay ditsoka fitia,
Tafalatsaka aho ka lasa mirediredy,
Fa mino aho f'ianao koa efa ready satria:

Manana anao 'zah faly eh! faly eh!
Ka dia velon-tsiky erÿ,
miara-miaina dia miara-miriaria,
mety hisy ny tomany eh, fa ranomasom-pifaliana,
Hafa foana ny eo anilanao ry tiana,
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanjona Randrianarivelo
Vangy : 69
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Natolotrniavo
Daty : 29/10/2024 02:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1671